Ny mombamomba ny mpamorona ...

Posté par gasywave | 10 Jan, 2007

    Manatitra ny arahaba aloha ny voalohan- teninay!.

    Anisany nampiavaka ny Malagasy indrindra, ny fahafahany mampisandratra ireo "TALENTANY" amin' ny alalan' ny fitaovana maro ( ohatra : ny boky, ny hira, etsetsetra )...

    Raha ny tarika "GASY WAVE" no itopiana maso akaiky, dia nisafidy ny HIRA izy ireo... Marihina fa manana "tanjona" manokana izy ireo, raha toa ka miezaka ny hamoivoy izany "tontolon' ny zava- kanto Malagasy" izany... Ny sabatra ho entiny mitrandraka izany dia ireo lahatsoratra, izay nateraky ny aingam panahiny ihany... Soritana mazava eto, fa ny fiainana andavanandro ihany no hiezahan' ny tarika zaraina ho an' ny mpankafy... Io no tsiambaran' telon' ny mpamorona amin' ny ankapobeny... Kanefa tsara ihany ny hahafantarana izany rehetra izany...

    Rehefa voatontosa amin' ny antsakany sy andavany ary izany rehetra izany, dia miditra an- tsehatra indray ny zava maneno, mba hampihaingona ilay lahatsoratra (izay voalaza tetsy ambony teo)... Rehefa voahaja kosa indray ny fepetra rehetra... Miteraka zava- kanto izany... Tianay ny manamarika fa ilay fankafizana hira io, dia vokatry ny FITIAVANA, amin' ny ankapobeny nateraky ny FO( "fihetseham- po")... Ny FO mantsy no anisany singa mampiavaka ny olombelona, satria izy no manasivana izay TIANTSIKA na TSY TIANTSIKA...

    Araka izay voalaza rehetra izay dia maromaro ihany ny dingana arahina sy ny fepetra tokony hohajaina rehefa mamorona na manoratra hira...

    Koa antenaiko fa nahaliana anao io fandalinana fohy, izay noezahinay nofintinina io.

    FANAMARIHANA : Ho hitanao eto amin' ity tranonkala http://serasera.org/tononkira/index.php?rub=tononkira/mpihira&id=987 ity, ireo ohatra amin'ny famoronan' ny tarika GASY WAVE.